Revelation of John 3

1Soraty ho an’ny anjelin’ny fiangonana any Sardisy hoe: ‘Izao no tenin’ilay mitàna ireo Fanahy fiton’Andriamanitra sy ireo kintana fito. “Fantatro izay nataonao. Malaza ho velona ianao, nefa ianao maty. 2Mifohaza ary hatanjaho izay tavela, fa efa ho faty, satria tsy hitako tanteraka ireo asanao eo imason’Andriamanitro.

3Tadidio, noho izany, izay noraisinareo sy renareo. Ankatoavy izany, ary mibebaha. Fa raha tsy mifoha ianareo, dia ho avy toy ny mpangalatra Aho, ary tsy ho fantatrareo ny ora hiaviako aminareo. 4Fa misy anaran’olona vitsivitsy any Sardisy izay tsy nandoto ny akanjon’izy ireo. Handeha hiaraka amiko izy ireo, miakanjo fotsy, satria mendrika.

5Ilay iray izay maharesy dia ho ampiakanjoana fotsy, ary tsy hamafa ny anarany ao amin’ny Bokin’ny Fiainana mihitsy Aho, ary hilaza ny anarany eo anatrehan’ny Raiko, sy eo anatrehan’ireo anjeliny. 6Aoka izay manan-tsofina hiaino izay lazain’ny Fanahy amin’ireo fiangonana.“”’

7“Soraty ho an’ny anjelin’ny fiangonana any Filadelfia hoe: ‘Izao no tenin’ilay iray izay masina sy marina_ izy no mitazona ny fanalahidin’i Davida, izy no mamoha ary tsy misy na iza na iza manidy, izy no manidy ary tsy misy na iza na iza afaka mamoha. 8“Fantatro izay vitanareo. Indro, nametrahako varavarana mivoha eo anoloanareo izay tsy afaka hidin’iza na iza. Fantatro fa manana hery kely ianareo, ka nankàto ny teniko ary tsy nandà ny anarako.

9Indro! Ireo izay an’ny synagogan’ny Satana, ireo izay milaza fa Jiosy izy ireo nefa tsy izy akory; fa mandainga kosa izy ireo. Hataoko tonga ka hiankohoka eo an-tongotrao izy ireo, ary ho avy izy ireo mba hahafantatra fa nitia anao Aho. 10Satria efa nitandrina ny didiko tamin’ny faharetana ianareo, dia hiaro anareo amin’ny andro fitsapana izay efa ho avy amin’izao tontolo rehetra izao ihany koa Aho, mba hitsapa ireo izay miaina eo ambonin’ny tany. 11Ho avy tsy ho ela Aho. Tano mafy izay hanananao mba tsy hisy afaka hanala ny satro-boninahitrao.

12Ataoko andry eo amin’ny tempolin’ny Andriamanitro izay mandresy, ary tsy hiala eo mihitsy izy. Ho soratako eo aminy ny anaran’Andriamanitro, ilay anaran’ny tanànan’ny Andriamanitro (ilay Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin’ny Andriamanitro), sy ny anarako vaovao. 13Aoka izay manan-tsofina hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ireo fiangonana.“”’

14“Soraty ho an’ny anjelin’ny fiangonana any Laodikia hoe: ‘’Izao no tenin’ny Amena, ilay vavolombelona mahatoky sy marina, ilay mpanapaka ny zava-boaarin’ Andriamanitra. 15“Fantatro izay nataonareo, ary tsy mangatsiaka na mafana ianareo. Maniry Aho mba ho mangatsiaka na mafana ianareo! 16Noho izany, satria ianareo matimaty_ sady tsy mafana no tsy mangatsiaka_dia efa haloan’ny vavako ianareo.

17Fa hoy ianareo hoe: ‘Manan-karena aho, nanana fitaovana maro, ka tsy mila na inona na inona.’ Saingy tsy fantatrareo fa ianareo no tena ory, mampahonena, mahantra, jamba ary mitanjaka. 18Henoy ny torohevitro: Mividiana volamena voadio tamin’ny afo amiko mba ho tonga mpanan-karena ianareo, ary akanjo fotsy manjopiaka mba ho afaka mampitafy ny tenanareo ianareo ka tsy hampiseho ny henatry ny fitanjahanareo, ary hanosotra ny masonareo mba hahiratanareo.

19Ampiofaniko ny tsirairay avy izay tiako, ary hampianariko azy ireo ny fomba tokony hiainan’izy ireo. Noho izany, mazotoa ary mibebaha. 20Indro, mijoro eto amin’ny varavarana Aho ary mandondona. Raha misy mandre ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia ho avy ao an-tranony Aho ka hihinana miaraka aminy, ary izy miaraka amiko.

21Ilay iray izay mandresy, hatolotro azy ny zo hipetraka miaraka amiko eo amin’ny seza fiandrianako, tahaka ny nandreseko koa ka nipetrahako niaraka tamin’ny Raiko teo amin’ny seza fiandrianany. Aoka izay manan-tsofina hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ireo fiangonana.“”’

22

Copyright information for PltULB